<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>S.J. Vail</author>
<title>Mpivahiny aho eto FFPM560</title>
<lyrics>[V1]
 Mpivahiny aho eto
 Tahaka ny razako,
 Ka ny foko feno sento
 Amin'ny alehako.
 Eny, tsy etý tokoa
 No ho fitsaharako,
 Fa mandalo avokoa
 Izay rehetra hitako,
 Ka izaho tsy miato
 Andro aman-alina,
 Nefa aho izay misento
 Dia hasoavina.

[V2]
 Be ny mampahory ahy
 Mila tsy ho zakako,
 Toa velona hiahy
 Ao am-pandehanako ;
 Nefa kosa tsy mba tery
 Sady tsy mamoy fo,
 Fa izaho tsy irery
 Eto amin'ny manjo,
 Fa Jesosy momba ahy
 Ka manafa-tahotra ;
 Raha ory ny fanahy,
 Izy no mahavotra.</lyrics>
<hymn_number>560</hymn_number>
</song>